Tompon’antoka ny vadiny: ramatoa maty nokendaina lambahoany

Sady mpampirafy no mpamono olona! Nosamborin’ny zandary ny lehilahy iray nanakenda ny vadiny tamin’ny lambahoany. Niray tsikombakomba tamin-drangahy ny vadikeliny.

Voasambotry ny zandary ny faran’ny herinandro lasa teo ny raim-pianakaviana iray, tany Miantsoa­rivo, distrikan’Arivonimamo. Voampanga ho namono nahafaty ny vadiny izy sy ny vadikeliny. « Efa niaiky ny helony izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Marihina fa ny 30 jolay lasa teo no nahitana farany an’ilay renim-pianakaviana. Nilaza ny reniny izy fa hamonjy ny rain-janany, haka vola 20 000 Ar ho fanampiana azy mianaka. Vao tera-bao, fito volana ilay lasibatra saingy narian-drangahy. Nisafidy ny nanangana tokantrano tamin’ny vadikeliny ity farany.
« Tany no nitsiry ny hevitra ho azy roa. Nisafidy ny handatsaka ny ain-dramatoa ireto mpisakaiza. Izany no nataon’
izy ireo dia ny fikasana ny hiaina am-pilaminana ny
fiarahan’izy roa mipetraka », hoy hatrany ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao.
« Nofitahina izy, natao izay naharoboka azy hanatona azy roa. Rehefa tonga tany amin’ny fotoana nifanomezana anefa dia olona efa vonona ny hamono no niandry azy. No­kendaina tamin’ny lambahoany ity tovovavy vao 23 taona ity. Nandrasana ny fodiany tany amin’ny reniny sy ilay zaza menavava saingy vatana mangatsiaka sisa hitan’ny fianakaviany », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny mpanao famotorana. Andrasana ny didy avy amin’ny fampanoavana!

Tsiferana R.

Partager sur: