Afa Analakely: hiatrika fifaninanana maro

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra ny ankizy amin’izao fotoana izao. Ho an’ny sekolin’ny baolina kitra, Analakely Football Academy, Afa, maro ny fifaninanana miandry azy ireo. Ho an’ny zazalahy U13, handray anjara amin’ny « Orange Challenge », fifanin­tsanana izay karakarain’ny Orange sy ny Union des clubs et écoles de Foot (Ucef), any Mahajanga, manomboka ny 19 hatramin’ny 25 aogositra ho avy izao, izy ireo. Araka ny filazan’ ny mpanazatra, Manitriniaina Steve Princy, hanainga ny 17 aogositra ho avy izao, eto An­tananarivo, ny Afa. Ankoatra izay, eo am-piandrasana ny lalao manasa-dalana amin’ny « Orange Challenge U9 », izay hatao eny Ambatolampy Tsima­hafotsy, amin’izao fotoana izao, ny mpilalaon’izy ireo U9. Tsara marihina fa manana klioba vehivavy, solontenan’ny ligin’Itasy amin’ny fifaninanana nasionaly, diviziona voalohany, ny Afa. Efa eo am-panomanana izany fifaninanam-pirenena izany ry zareo, ankehitriny. Niatrika lalao ara-pirahalahiana tamin’ny Ajesaia ny Afa, sokajy vehivavy, ka nandresy azy ireo 1 no ho 0, teny Taninkatsaka Itaosy, ny ala­hady lasa teo. Ampaha­tsia­hi­vina ihany fa tsy mbola navoakan’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF) ny daty sy ny toerana hanao­vana ny D1 nasionaly sokajy vehivavy.

Mankalaza ny faharoa taona

Ao anatin’ny fankalazana ny faharoa taona nitsanganan’ny kianja artifisialy Analakely Sta­dium ankehitriny, ny fikamba­nana PK. Tao anatin’izay fotoana izay, nanangana ny PK Store izy ireo. Tranombarotra ara-panatanjahantena iray izy ity, ary ahitana ny fanamiana, toy ny “maillot”, “short”, “godasse…”, izany. Misy ny lalao izay karakarain’izy ireo, ka hotolorana fanomezana maro sy fahafa­hana milalao eo amin’ny kianja maimaimpoana izay mandresy
amin’izany.

Fitia Randria

Partager sur: