Afrika Atsinanana U12: 6 mianadahy hiatrika ny fifaninanana

Hotontosaina any Maputo Mozambika, manomboka anio hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsinanana, taranja tenisy, ho an’ny lalao isan-tarika, sokajy zandriny U12, lahy sy vavy. Miisa enina mianadahy izy ireo no hiatrika izany, ka ny telo lehilahy ary ny telo ambiny vehivavy.
Araka ny fikarohana natao, izay ekipa roa manao famaranana amin’ny sokajy lehilahy sy ny vehivavy ihany no hiatrika ny fifanintsanana afrikanina kaontinantaly. Ao amin’ny kianjan’ny Maputo Tennis Club izy ireo no hifanintsana. Tsiahivina fa hana­zatra ny ekipam-pirenena malagasy, any an-toerana, Rako­tondramboa Miarizo. Tsara marihina fa nanainga omaly, avy eto an-tanindrazana, ny delegasiona malagasy ireto.
Ankoatra izay, hiditra amin’ny fifaninanam-pirenena 2024, ho an’ny sokajy rehetra, ny mpilalao tenisy amin’ity herinandro ity. Etsy amin’ny COT Ankadikely Ilafy no hanatanterahana izany, hifarana ny 11 aogositra ho avy izao io fifanintsanana io.

Fitia Randria

Ny lisitr’ireo mpilalao :

Vehivavy :
Ramanampanoharana Onintsoa
Randriamananjara Koloina
Andrianiaina Realy

Lehilahy :
Rasoarahona Ilo
Randimbison Manou
Rakotomalala Antso

Partager sur: