Congolais miisa enina nosamborin’ny zandary tao Ankatafahely, kaominina Ambanja, ny 2 aogositra teo. Nipetraka tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao an-toerana izy ireo. Nikasa hiondrana antsokosoko hihazo ny nosy Mayotte. Nanao ny fisavana ny mpitandro filaminana ka tsy nahitana antontan-taratasy mazava teny amin’izy ireo. Renim-pianakaviana iray, 35 taona, niampy ireo zanany miisa dimy ireto saron’ny zandarimaria ireto. 16 taona no lehibe indrindra amin’ireo ankizy raha toa ka 9 taona ny zandriny. Nitoroka ny tompon’antoka amin’izao fiondranana tsy manara-dalàna izao io ramatoa io. Karohina io olona voatonona anarana io amin’izao fotoana.
Tsiferana R.