BEN’NY TANANAN’Imerintsiatosika: nanasongadina ireo seha-pampandrosoana

Hetsika maro sosona no hita teny amin’ny kaominina Imerintsiatosika, omaly, izay notarihin’ny ben’ny Tanàna Andriambolanarivo Parisoa. Nisongadina, tamin’izany, ny fizarana karatany faobe natao tamin’ireo fokontany 9, ani­san’ny mandrafitra ny kaominina.
Fanamorana ny fisitrahana ara-dalàna ny tanin’ny tan­tsaha ny karatany. Efa maherin’ny iray alina no vita sy nozaraina. Mizaka irery ny fikarakarana ny fanaovana izany ny kaominina ankehitriny satria mihato ny tetikasa Tafita izay nanao tantsoroka taloha.
Natao omaly koa ny fa­moahana ireo Quartier-mobil hanampy amin’ny fandriampahalemana, indrindra eny am­ba­nivohitra. Manana anjara toerana lehibe izy ireo amin’ny fandrindrana ny disadisa eny ifotony.
Ankoatra izany, ny Komity miaro ny tontolo iainana sy fambolen-kazo.Miantsehatra amin’ny ady amin’ny doro tanety ihany koa ireo komity mitsangana ara-dalàna misolo tena ny minisitry ny Tontolo iainana eny ifotony ireo.
Tetsy andaniny, nanazava mahakasika ny fiantsonan’ny taksiborosy izay nomena toerana mivoaka kely ny tanàna ny ben’ny Tanàna. Fandrin­drana ny fifamoivoizana no sady endriky ny tanàna, fa indrindra vokatry ny fitomboan’ny mponina ka mahatery ny fivezivezena, no anton’izany. Noferana ho 500 Ar kosa ny saran-dalàn’ny posy bisikileta mitatitra olona miala eny amin’ ny fiantsonana miditra aty an-tanàna.
Nankasitraka ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana ihany koa ny kaominina omaly.

Tatiana A

Partager sur: