Depiote Tim: “Hita taratra ny tsy fahaiza-mitantana”

Namatrapatratra avokoa ireo depiote avy amin’ny Tim, manoloana ny olana sosialy. Anisan’izany i “Del kely”, raha niresaka ny momba ny Jirama. “Aoka tsy hatao tahaka izao ny vahoaka. Aotra ny tolotra. Potika avokoa ireo fitaovana any an-tokantrano ary simba ny fihariana nefa mbola hosaziana indray koa ny vahoaka… Tena hita taratra ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra”, hoy izy tao amin’ny fandaharana “Miara-ma­nonja”, omaly. Nohitsiny fa tokony hoesorina amin’ny toerany io tale jeneraly, teratany israelianina io. Hanafohy ny fitondrana Rajoelina ny mbola ijanonany amin’ny fitantanana io orinasa io, araka ny nambarany. “Mbola endri-panjanahana amin’ny endriny vaovao izao ka tokony hampihetsika ny vahoaka”, hoy ihany izy.
Nanamafy izany ny depiote Tim, voafidy tetsy amin’ny boriborintany fahadimy, Ra­lambozafimbololona Fetra, ka nilaza fa tena famotehana ny vahoaka sy fanaovana tsinontsinona izao olan’ny Jira­ma izao. Tratry ny tian-kano, tsy tian-kano ary koa ny jadona ny mpanjifa. Manampy trotraka izany ny tsy fananan’ny mpitondra vina hitsinjovana lavitra manoloana ny fitomboan’isan’ny mponina sy ny fotodrafitrasa efa tranainy. “Mikaikaika ny vahoaka ma­noloana izao tsy fahaiza-mitantana izao. Tsy afa-bela amin’ny delestazy intelo isan’andro ny eny aminay”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa nandrangaranga sazy ho an’ireo tsy mahaloa faktiora anaty fe-potoana efa voafaritra ny Jirama. Eo koa ny fampiakarana ho 5% ny faktiora amin’ny volana manaraka na koa fanapahana sy fanesorana ny kaontera mihitsy aza.

Synèse R.

Partager sur: