Azo hifehezana ny rarintsaina (stress) ny fanaovana yoga. Fomba efa manomboka mahazo vahana eto amintsika. Fomba fanao indianina ny yoga izay anisan’ny fitsaboana vatana no sady fanatanjahantena koa. Mampiasa ny fahaiza-miaina (respiration) sy ny fahafahana manetsika vatana (souplesse). Manampy amin’ny fifantohana ny yoga ary azon’ny olona rehetra atao manomboka amin’ny ankizy fa arakaraka ny fahasalaman’ny tsirairay no hamaritana ny sokajy mety aminy. Misy karazany maro ny yoga ary mety ampifanarahana amin’ny filan’ny mpanjifa, hoy ny fanazavan’ny coach iray ao amin’ny Centre Gaia / Z-Yoga Androhibe, Payal Vashisth. Ora iray ny faharetan’ny tolotra. Ora telo aorian’ny sakafo no mety hanatanterahina azy. Nanafatra mpampianatra roa, lahy sy vavy, avy any India ny mpitantana. Nanokatra ny toeram-pandraisana voalohany eto amintsika momba ny yoga, eny Androhibe. Ho an’ireo maniry ny hampihena vatana, azo ampiasaina hahazoana vokatra haingana ny yoga. Mety kokoa ny tsy mihinana sakafo be menaka alohan’ny hanaovana azy.
Vonjy A.