Fiondranana antsokosoko: teratany vahiny 14 naiditra am-ponja

Niara-notanana vonjimaika any am-ponja, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fampanoavana, ireo teratany vahiny 14 niampy Malagasy 10 nikasa hivoaka antsokosoko ny fari-dranomasina tao Ambalabao, fokontany Marovato, kaominina Ankaramy, distrikan’Analalava. Voasambotry ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tampoka tao amin’io toerana io ireo somalianina ampolony ireo niaraka tamin’ny Malagasy, ny 23 jolay teo. Nanome lelavola mitetina 200 dolara isan’olona ho an’ny mpitatitra azy ireo tamin’ny sambo kely ireo mpandeha. Mananika ny 3 tapitrisa Ar kosa izany ho an’ireo Malagasy. Ireto farany izay samy nampanantenain’io mpitatitra tamin’ny sambo kely io fa hisy sambo lehibe handray azy ireo eny afovoan-dranomasina. Niaraka voatazona tamin’ireo mpiondrana an-tsokosoko ireo ny mpanamory io sambo io. Nogiazana ny fitaovam-pitaterana nampiasan’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: