Efa manomboka mirona amin’ny fiompiana alika tsara karazana (chien de race) ny Malagasy ankehitriny, raha ny zava-misy. Somary lafo ny fikarakarana azy ireny fa tsy mahasakana ny olona hiompy sy hikararaka azy izany noho ilay fitiavana ao anaty.
“Maharesy lahatra ahy hiompy chien de race ny fitiavana alika efa hatramin’ny mbola kely. Efa nikoriana tao anatin’ny ra mihitsy izany fitiavana alika izany ka antony nandrisika ahy hiompy”, hoy Razafinjatovo Nathan Naela, mpiompy alika sy mpikambana ao amin’ny Road Dago. “Fitiavana aloha ny voalohany alohan’ny hitaizana ny alika iray. Sady fialamboly no azo atao fitadiavam-bola ihany koa izy ireny”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa tsy mety raha tonga dia fitadiavam-bola no atao an-tsaina voalohany alohan’ny fiompiana azy. Miankina amin’ny filàn’ny tompony ihany ny faharetan’ny fotoana sy ny vola lany mandritra izany. “Misy antony manokana ny hiompiana ny chien de race”, hoy ny filohan’ny fikambanana ACYM, Herilala Mana Jean. Misy ireo natao hihaza, ny ho naman’ny olombelona, “chiens d’aveugle”… Misy kosa ireo misafidy ny hampanao “promenade” fotsiny ny alikany, eo koa ny alika natokana ho mpiandry tanàna fotsiny… Manomana sy mandray an-tanana mampianatra alika ho amin’izany ireo mpifehy alika eo anivon’ny fikambanana AMCPM. Maro ny zavatra ampianarina sy ny fiofanana omena ireo alika mandritra izany mba ahafahana mibaiko azy ireo araka ny tanjona tiana hotratrarina. Teo aloha, naharisika ny ankamaroan’ny olona ny fampianarana ny chien de race ho lasa mpiambina sy mpiandry tanàna fotsiny, raha ny tatitra voaray teo anivon’ity fikambanana mpifehy alika tsara karazana ity. “Antony mahatonga izany ny tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena”, hoy Rakotomampionona Solofo Zo, filohan’ny AMCPM. Ankehitriny, efa lasa mirona any amin’ny fampianarana sy famolahana alika ho lasa namana
sy ho lasa haingon-trano ary ho entina mitsangantsangana indray ny olona. Maharitra eo amin’ny telo hatramin’ny dimy volana eo ny faharetan’ny fe-potoana fampianarana ny alika iray fara-fahakeliny. Manodidina eo amin’ny 300 000 Ariary ny vola aloha isam-bolana amin’ izany.
Mbola tsy nahafantatra ny chien de race tamin’izany fa niainga tamin’ny fiompiana alika gasy. Niova fiompiana c hien de race kosa izany taty aoriana. “Tsy misy olana mihitsy ny fiompiana ireo biby ireo satria atao am-pitiavana ny fiompiana azy”, hoy hatrany ity mpiompy alika ity. Nambarany fa mitovy amin’ ny fitaizana ny olombelona ihany ny fitaizana azy ireny satria mila fikarakarana sy fitiavana tahaka ny olona. Nohamafisiny hatrany fa miankina amin’ny fitaizana ilay alika hatramin’ny mbola kely ihany ny maha tsara taiza azy na tsia. Ankoatra izay, miankina amin’ny fitaizana azy dieny mbola kely ihany ny maha masiaka na tsia ny alika iray. Mahay miresaka sy tokony hahazo ny resaka ataon’ny tompony ny alika iray. “Mahatonga ny alika iray mahay mankatoa ny teny izay lazain’ny tompony ihany koa izy rehefa fantany fa tia azy ny tompony”, hoy hatrany izy nanamafy.
Manatsara ny toekarena sy manampy ny olombelona
Niditra ao anatin’ny Federation cynélogique International (FCI) i Madagasikara tamin’
ny novambra 2023 teo. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fidirana ao anatin’io sehatra iraisam-pirenena io eo amin’ny fiompiana alika satria manampy betsaka ny fiainan’ny olombelona rehefa mivelatra sy mihatsara ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ireo chien de race eto Madagasikara, araka ny fanazavana. Ankoatra izay, manasoa ny toekaren’ny firenena iray ihany koa ny fiompiana alika tsara sy avo karazana ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Olana matetika ny tsy mbola maha matihanina ny fiompiana misy eto Madagasikara. Amin’ ny ankapobeny, mbola fiompiana ataon’ny fianakaviana no tena betsaka eto amin’ny Nosy. Lasa matihanina ny fiompiana alika rehefa tafiditra ao anatin’ ny sehatra iraisam-pirenena.
1 tapitrisa Ariary ny fikarakarana chien de race iray
Miompy chien de race avokoa ny sokajin-taona rehetra, na lahy na vavy. Tsy voatery ho ny olona manan-katao ihany ny miompy azy ireny fa efa maro ihany koa ireo olona tsy dia manana fidiram-bola matanjaka. Maro amin’ny Malagasy ny te hanana alika tsara karazana fa tsy maharaka ny vola eo am-pelatanany. Amin’ny ankapobeny, tokony ho vonona handany roa hetsy Ariary isam-bolana farafahakeliny, isaky ny alika iray, ny olona raha te hiompy izany, raha ny fanazavana nataon’ny mpiompy iray nanontaniana. Mahatratra 5 hetsy hatramin’ny 1 tapitrisa Ar mahery eo kosa izany, raha mitombo ny taonan’ilay alika iray. “Henjana be ny fikarakarana ireo alika ireo fa tsy vita moramora satria mandany vola sy fotoana ny fanaovana izany”, hoy Razafinjatovo Nathan Naela, mpiompy alika sy mpikambana ao amin’ny Road dago. Antony iray mahatonga ny vidin’ny alika ho lafobe ihany koa izany. Tena mahalafo izany ny fandaniam-bola amin’ny fikarakarana ireo alika, ny fitsaboana sy ny fitondrana azy any amin’ny mpitsabo biby ary ny halafon’ny sakafony, raha ny fanazavana voaray hatrany.Tokony tsy ho latsaky ny 2 tapitrisa Ariary ny vidina zanak’alika iray. Misy tsy mahasahy vidin’alika lafo anefa, satria maro ny mitady zanak’ alika amin’ ny vidiny 6 hetsy Ariary monja, raha ny zava-misy.
Mino (sary Mamiherison)