« Goethe Talents 2024 »: voafidy handray anjara i Antsiva

Fandaharanasa iray hitilina ireo tanora mpanakanto manan-talenta ny “Goethe Talents”. Hihazo an’i Allemagne ireo notsongaina manokana, ka anisany i Antsiva Andriamasimanana, izay hisolotena an’i Madagasikara.

Valin’ny asa sy ny ezaka. Samy nahatsapa avokoa ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny mozika, izay naharaka ny lalan’i Antsiva Andriamasimanana. Mendrika ho azy, araka izany, ny voasafidy ho anisan’ireo handray anjara amin’ny “Goethe Talents 2024”. Fan­daharanasa iray, karakarain’ny Pop Kultur, ary iarahany miasa amin’ireo ivokolo alemà manerana ireo firenena aty amin’ny tapany atsimo sy ny avy any Azia izany. Natao hitilina tanora manan-talenta miisa 8, izay hahazo fiofanana lalina kokoa mahakasika ny mozika any Allemagne io. Amin’ity andiany ity, mpanakanto avy any argentine, Chine, Côte d’Ivoire, Kazk­h­s­tan, Myanmar, Paraguay ary Ukraine no hiara-dalana amin’i Antsiva ho any Berlin.
Hisy matihanina amin’ny mozika, eo amin’ny sehatra marolafy, hampiofana sy hizara ny traikefany amin’izy ireo. Tafiditra anatin’izany ny fampahafantarana ny lalana eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena, ankoatra ny lafiny teknika toy ny fandraisam-peo, sns. Hisy ny fandraisan’izy ireo anjara amina hetsika ara-javakanto iray any an-toerana, mandritra izany. Lalana misokatra eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena izy ity, ho an’ireto tanora manan-talenta voasafidy ireto.
Raha fintinina fohy, nampiana-tena tamin’ny piano no nanombohan’i Antsiva, tany amin’ny taona 2006. Efa na­nandrana namoron-kira anefa izy tamin’izany. Anisan’ireo nandresy tamin’ny fifaninanan-kira nokarakaran’i Rado Rakotorahalahy, tao amin’ny Alliance Française, izy. Niditra ho “Jazz Club CGM” ny taona 2011. Nandray anjara voalohany tamin’ny “Madajazzcar”, niaraka tamin’ireo rahavaviny ao anatin’ny Anaa Quator, ny 2012 ary nanao feo lafika an’i Lalatiana ny taona 2014. Ankoatra ny Aana Quator, nitarika antoko mpihira ary niroso tamin’ny fampianarana mihira ihany koa i Antsiva. Tetsy andanin’izay, niroso tamin’ny fiangaliana ny gitara beso ihany koa izy. Ny taona 2019 no nanangana ny Antsi­va & Brona, nampiarahany ny talentany maha mpihira sy mpitendry azy. Farany teo, tazana an-tsehatra sady nanao feo lafika no nitendry gitara beso tamin’ny tarika ‘Zay, sy nasain’ny Olombelo Ricky manokana, nandritra ny “Manala Azy” izy. Mbola lavitra ny lalana kanefa azo antoka raha ho an’ity tovovavy manan-talenta ity.

Zo ny Aina

Partager sur: