Indray mijery

 Nampahafantarina nandritra ny fananganan-tsaina nataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly, fa efa misokatra ny Ivontoeram-pampianarana teny anglisy CNELA (Centre national d’enseignement de la langue anglaise) any Toamasina. Manampy ny iray efa miorina sy mampianatra eto Antananarivo.
Ampiofanina ireo rantsa-mangaikan’ny Ofisy nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly (ONaPascoma), foibe ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Saf Pascoma Cisco manerana ny Nosy. Tao amin’ny Cisco Antsohihy, Dren Sofia, no nanatanterahina izany, ny 31 jolay hatramin’ny 2 aogositra lasa teo ary hitohy eny anivon’ny Cisco rehetra ny hetsika. Fifampizarana traikefa, fanatsarana ny fomba fiasa ary famatsiana fitaovana hoentina manatanteraka ny asa no tanjona amin’izany.
Nifarana omaly ny lasy teny Fihaonana An­kazobe nataon’ny Tily. Manodidina ny 15 000 ireo mpizaika avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Mbola mitohy kosa ny fankalazana ny faha-100 taona amin’ny hetsika hafa indray. Mbola hanaovana, araka izany, ny foulard jobily ary miaraka manala izany ny Tily rehetra ny 20 desambra 2024 hariva, fotoam-pamaranana.
Nanamafy ny fahalalan’ny tanora mahakasika ny fiarovan-tena amin’ny fiparitahan’ny valanaretina VIH/Sida tao amin’ny Oniversiten’Ambondrona Maha­janga ny PNLIS. Zava-dehibe ny fiarovan-tena sy fahamailoana satria miantoka sy iankinan’ny hoavy manontolo ny fahasalamana.

Partager sur: