Lalam-pirenena RN2: harenina daholo ny lalan-dratsy rehetra

Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Eo am-pamaranana ny famitana godirao any amin’ny faritr’i Manjakandriana.

Nohazavain’ny tale jeneraly (DG) ny minisiteran’ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, omaly, fa eo am-pamitana ny fanaovana godirao ny avy aty Antananarivo hatrany amin’ ny PK 48 aorian’i Manjakandriana. Hitohy indray ny asa, ka hokitihina daholo ireo lalan-dratsy ahitana lavaka rehetra. Hotron­gisina sy hopasohana ary hatao godirao. Voakasik’izany ny ampahany Brickaville-Toamasina, indrindra amin’izao maha­maro ny mpandeha lavitra ao anatin’ny fotoan’ny fialantsasatra izao. Eo koa ny ampahany Antsampanana-Moramanga.

Anisan’ny fanomanana atao mialoha ny lafiny tontolo iainana sy sosialy (EIE) ary ny ara-teknika. Toy ny fijerena ny toerana hakana ny vato sy ny fasika, ny hanangonana sy hanomanana ny godirao, sns. Avy amin’ny Fidirambolam-panjakana anatiny (RPI) sy ny Banky iraisam-pirenena ny famatsiam-bola hanaovana ny asa.

Njaka A.

Partager sur: