Maty voatifitry ny mpanara-dia ny dahalo roa lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ankaramihely, kaominina Analalava, afakomaly. Intelo nitrangana fanafihana tao amin’io tanàna io. May ny trano roa, voaroba ny omby miisa sivy, ny 12 avrily lasa teo. Lasan’ny dahalo indray ny omby valo ny volana jolay. Namerina ny asa ratsiny ireo mpangalatra ny 1 aogositra teo, kinanjo efa niandry kendry tohana ny fokonolona sy ny zandary. Raikitra ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Nasaina nijanona, nanda hatrany izy ireo ary nanao tongotra an-katoka. Vokany, maty voatifitra ny roa lahy.
Tsiferana R.