Hotontosaina ny 21 sy 22 septambra izao ny “Angaredona Mozika Festival”. Io aloha ny vaovao lehibe nozarain-dRajery, izay tomponandraikitra voalohany amin’ity hetsika ho an’ny mozika miaina eto Madagasikara ity. Efa fantatra ihany koa fa eto Antananarivo no hotontosaina izany, kanefa tsy mbola nivoaka ny tena fandaharam-potoana feno.
Anisan’ireo sekoly mampianatra mozika, mandray anjara amin’ny “Festival Jazz Tohatohabato”, ny Aponga MDS. Mandritra ny Jazz Kids, atao ny Alarobia izao, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, no ahitana azy ireo.Tsiahivina fa anisan’ireo efa nisitraka ny atrikasan’i Pascal Haas, izay vahinin’ny “Festival Jazz Tohatohabato” izy ireo.
Anaran-tsy very sisa ny « fialantsasatra lehibe ». Ampahany vitsy dia vitsy amin’ny mpianatra no mahavita miala sasatra. Ny ankamaroany, mirenireny etsy sy eroa. Sakaizan-torimaso… Mety tsy hisy tombony mivaingana ho an’ny mpianatra akory ve ny fisian’ny « fialantsasatra lehibe » ? Noho izy ao anaty fandaharam-potoanan’ny taom-pianarana, dia tanterahina. Ankoatra io tranga io, isan-taona, ratsy fanombohana ny taom-pianarana ho an’ny taranaka malagasy, satria, anaty fahavaratra tanteraka.
Ny fametrahana ny maha Malagasy, tsy azo adika ho habadoana. Kanefa, io no mahazo ny Malagasy matahotra an’Andriamanitra, mitsimbina ny aina, sns. Mbola maro ny manafangaro ny finoana sy ny fahalalana. Antony mahatonga ny tsy mahalala hihevitra fa bado na sanatria adala ny mahatazona ny « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha ».