Tontolo iainana ankoatra ny ala: mila sazy henjana ny fandikan-dalàna

Eo am-pamolavolana ny fehezan-dalàna mahakasika ny fandikan-dalàna momba ny tontolo iainana ankoatra ny lafiny ala. Lalàna hentitra no mila hampiharina.

Maro ny fanamby mahakasika ny tontolo iainana mila hatrehina. Ao anatin’izany ny fahalotoan’ny tany, ny rano ary ny rivotra. Tsy ampy anefa ny lalàna mazava sy voafaritra tsara mifehy ny fandikan-dalàna ara-tontolo iai­nana ankoatra ny ala, ka lasa sakana amin’ny fiarovana mahomby azy ireny. Tsy ampy koa sady manjavozavo ny andinin-dalàna sasany. Izay no nahatonga ny atrikasa hamolavolana ny lalàna savaranonando mifandraika amin’ny fandikan-dalàna ara-tontolo iainana ankoatra ny ala, omaly, teto Anta­nanarivo.
Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharira (Medd), Max Andonirina Fontaine, nilazany fa tanjona ny hanana lalàna fototra mifandraika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Satria matetika hatramin’izay, ireo mpanapaka hazo na miditra anaty faritra arovana no tena hampiharana ny lalàna. Misy anefa ny sehatra hafa, toy ny orinasa tsy miankina, ohatra, mampiasa rano
betsaka saingy tsy mazava, ataony aiza ny rano avy nampiasainy, na angoniny, na ariana any amin’ny toerana mandoto ny tany na koa alefany any amin’ny ala honko. Ka tokony hisy lalàna mazava manasazy azy ireny.

Hitohy any amin’ny faritra sy nasionaly

Efa misy ny didim-panjakana Mecie, mifehy ny fiantraikan’ ny fiharian’ny mpampiasa vola amin’ny tontolo iainana, saingy tsy ampy. Mila lalàna mazava iombonana ho hampiharina ny polisin’ny Tontolo iainana, ny mpitandro filaminana, ny ao amin’ ny fitsarana.
Hitohy amin’ny fifampidinihana isam-paritra sy nasionaly ity atrikasa fanokafana, omaly, ity. Handray anjara amin’izany daholo ny mpisehatra rehetra avy amin’ny fanjakana, ny fiarahamonimpirenena, ny sehatra tsy miankina, ny fikambanana tsy miankina ary ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: