Amin’ity herinandro ity, hono, amin’ny herinandro ambony, hono! Asa izay marina fa dia samy manana ny filazany ny olona mahakasika ny ho fijoroan’ny governemanta vaovao. Ny azo antoka, efa tsy ho ela satria eto Madagasikara ny filohan’ny Repoblika. Izy izay tompon’ny teny farany amin’ny zava-drehetra.
Raha ny tsilian-tsofina re, anatin’ny manangona sy manivana ny antontan-taratasy rehetra nalefan’ny kandidà ny tomponandraikitra, nanomboka omaly. Mbola lavalava ny dingana arahina amin’ny fifantenana izay tokony ho alaina am-bavany eny amin’ny primatiora sy ny fiadidiana ny Repoblika. Miankina amin’ny adina farany no hahalalana izay hiara-miasa amin’ny mpanatanteraka.
Miankina amin’ny sivana savaranonando ny zava-drehetra izany, raha manaraka ny dingana tsy maintsy arahina ny tomponandraikitra. Mbola nanamafy izay rahateo ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, omaly. Tsy hihazakazahana, hoy izy, ny fanendrena ireo mpikambana amin’ny governemanta. Miankina aminy ny zava-drehetra na ny praiminisitra aza efa any amin’ny farany vao afaka ny mandray izay olona tokony handalo sivana.
Marihina fa mila fahamailoana tanteraka ny fifantenana noho ny fahamaroan’ny mpikaramanady politika. Betsaka ny miketrika na ny ho apetraka na ny milaza fa mpametraka. Tsy mahagaga, misy ny manao varoboba ny soniany, manao taratasy fanolorana. Raha ny tsilian-tsofina miely, betsaka ihany koa ny olom-boafidy no efa makamaka saram-panendrena izay ho tale any anaty minisitera vao hajoro.
Mahavariana fa dia misy ny sahy manao varotra ombalahy anaty ambiaty. Valala mbola any an-danitra no asian-tsira. Mahavalalanina fa misy ny sahy. Maro izay efa very vola. Fomba amam-panao tena tsy tian’ny filohan’ny Repoblika velively izany. Koa samia tonga saina!
r.r