Ambovombe Androy: vita ny foibem-paritra fandrindrana ny asa vonjimaika

Misy fiantraikany mandritra ny taona maro amin’ny mponina any Atsimo ny krizy vokatry ny haintany noho ny fiovan’ny toetr’andro. Hanakaiky vahoaka hitondra vahaolana maharitra ny fametrahana ny CRCou ao Ambovombe.

Vita ny fananganana ny ivontoeram-paritra fandrindrana ny asa ho fa­maliana ny hamehana (CRCou) any Ambovombe Androy, ny herinandro lasa teo. Hitantana mivantana ny asa vojy maika ny biraom-paritry ny BNGRC any an-toerana. Ilaina ny fametrahana ity fotodrafitrasa ity ho fanatsarana ny fitantanana ny loza sy ny tanidindon-doza eny ifotony. Vo­no­na ny olona sy ny fitaovana amin’ny fandrindrana ny ezaka rehefa miseho ny voina.
Nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny taona 2022, nisedra haintany goavana ny faritra Atsimo iray manontolo vokatry ny tsy fahampian’ny rotsakorana, noho ny fiovan’ny toetr’andro. “Nisy fiantraikany tamin’ny fiainan’ny mponina teo amin’ny fihariana sy ny fiainana andavanandro izany toe-javatra izany, indrindra ho an’ny fiahiana ara-tsakafo. Nitondra faharavana ta­min’ny fihavanana koa ny tsy fahampian-drano ka namparefo ny fifandraisana eo amin’ny fiarahamonina niteraka fifandonana sy savorovoro samihafa”, hoy ny fanazavana. Zava-dehibe ny fametrahana rafitra hitantanana ny vahaolana maharitra ho an’ny vahoaka marefo ka nananganana ny CRCou. Nanohana ny fametrahana ny fotodrafitrasa ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) sy ny USAID.
Nitokana ny zava-bita tany Ambovombe ny minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, sy ny solontena mpisolo toerana eo anivon’ny Pam, Mamadou Mbaye, ary ny Tale jeneralin’ny BNGRC, Elack Andriakaja Olivier. “Rehefa mamonjy aina ao anatin’ny hamehana, manan-danja ny fisian’ny rafitra eny ifotony manakaiky va­hoaka ka vonona ny Pam ha­nampy ny fanjakana mala­gasy mandritra ny fiatrehana ny loza samihafa, indrindra any Atsimo”, hoy ny solontenan’ny Pam mpisolo toerana nandritra ny fandraisana ny fotodrafitrasa vaovao.

Vonjy

Partager sur: