Asan-dahalo: raim-pianakaviana voasambotra

Voasambotry ny Tafika ny raim-pianakaviana iray nihazona fitaovam-piadiana sy ody ratsy maromaro tao amin’ny tanànan’i Manitsy, fokontany Mahatsinjo, kaominina Fiarena­na, ny 4 aogositra teo. Nandritra ny asa fampandriana fahalemana nataon’ny miaramila avy ao amin’ny Holafy fahefatra Ambaravaranala, tra-tehaka io olon-dratsy io. Natao famotorana lalina, fantatra fa zanak’ity voasambotra ity avokoa ny ankamaroan’ny dahalo ao amin’io kaominina io. Efa lavon’ny mpitandro filaminana ny telo tamin’ireo. Tratra teny aminy ny zava-maranitra fampiasany, ny ody ratsiny. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny zandarimaria ao Mahatsinjo.

Tsiferana R.

Partager sur: