Tsy mendrika hilahatra rano hatramin’ny misasakalina isan’andro ny vahoaka, araka ny nambaran’ny depiote Gascar Fenosoa. “Efa aty amin’ny taonarivo fahatelo isika izao… Tsy andrenesam-peo anefa ny mpitondra, tsy miaina izany fahoriana iainan’ny vahoaka izany”, hoy izy tao amin’ny Facebook, omaly.
Nanolotra fanomezana ho an’ireo mpianatra afaka CEPE sy BEPC ny ben’ny Tanànan’Imerintsiatosika, Andriambolanarivo Parisoa, afakomaly. Nampahafantarina tamin’izany koa ireo komitin’ny ala sy ny tontolo iainana. Manampy izany ny fanolorana karatany ho an’ny vahoaka ao an-toerana.
Noraisin’ny Sekretera jeneralin’ny Antenimierampirenena, Randriamahafanjary Calvin, teny Tsimbazaza, afakomaly, ny avy amin’ny Pnud, i Kanil Lopes “Governance adviser”, sy Mouan Liliane “Specialiste en entreprise et droits humains”. Voaresaka tamin’izany ny momba ny orinasa sy ny zon’olombelona eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Nilaza ho sahy hifaninana amin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny kandidà Rinah Rakotomanga, araka ny nambarany tamin’ny Facebook, omaly. “Iriko raha tena sahy tokoa ry zareo ireto ka hifaninana mivantana izahay. Samy tia an’Iarivo ary samy manana ny fomba itiavany azy sy ikoloany azy”, hoy izy.