Ho fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna, manao antso avo amin’ny andriambavilanitra
handray anjara mavitrika ny KMF/Cnoe. Manentana ny mpifidy koa ny fikambanana.
Hanentana bebe kokoa ny vehivavy eo amin’ny fandraisana andraikitra eny anivon’ny kaominina. Hidina ifotony amin’ireo faritra maromaro ny mpikamban’ny KMF/Cnoe, manomboka izao. Anisan’ny hataon’izy ireo amin’
izany ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny olom-pirenena ny momba ny fifidianana kaominaly. Nambaran’ny filohan’ity fiarahamonimpirenena ity, Namearson Robert, fa ilaina izany. “Inona no andraikitry ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Inona sy hatraiza ny fahefan’izany kaominina izany, araka ny voalazan’ny lalàna?”, hoy izy.
Etsy andaniny, nahatsapa ny KMF/Cnoe fa nihena hatrany ny taham-pahavitrihan’ireo mpifidy noho ny antony samihafa, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo teny anivon’ny distrika. Antony hanamafisana ny fanabeazana ny olom-pirenena izany hahatsapan’ny vahoaka fa zava-dehibe ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. “Mba tsy hifidy an-jambany ireo olom-pirenena”, hoy izy. Nentaniny handray anjara sy handray andraikitra amin’
izany fifidianana izany ny rehetra. Anisan’izany ireo vehivavy mba ho maro ireo hirotsaka hofidina sy handeha hifidy koa ary hahay haka fanapahan-kevitra. Tahaka izany koa ireo tanora.
Fomba fiasan’ny KMF/ Cnoe amin’izany iraka izany ny fanaovana atrikasa sy ny fivoizana ny fanabeazana sy fanentanana amin’ny haino vaky jery. Eo koa ny fitetezana fokontany sy fihaonana amin’
ireo fikambanana samihafa.
Synèse R.