FOFIFA: mikatso ny asam-pikarohana rehetra

Mijanona avokoa ny asam-pikarohana momba ny fambolena ataon’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) ao anatin’izao fitokonana izao. Misy akona betsaka amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra izay tena miankina amin’ny fikarohana atao ny zava-misy. Ankehitriny, miombom-po sy mitaky ny fametraham-pialan’ny Tale jeneraly ihany koa ireo rantsa-mangaikan’ny Fofifa any amin’ny faritra noho ny tsy fahaizana mitantanana sy mifandray amin’ireo mpiara-miasa aminy hatramin’izay telo volana mahery kely nandraisany ny fitantanana izay. « Maro ireo mpiasa tokony ho any ivelany saingy tsy lasa noho ny tsy fandraisan’andraikitry ny Tale jeneraly io ihany », hoy ireo mpiasa. Nambarany fa miantraika amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, eto an-toerana sy any ivelany, ny fomba fiasan’ny mpitantana azy ireo.

Fihaonana
Lavin’ireo mpiasa tanteraka ny fangatahana fihaonana ataon’ny Tale jeneraly androany, eny Ampandrianomby. « Efa nomenay 72 ora izy hampiantso anay saingy tsy nataony izany », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tsy hijanona ny fitakiana raha tsy mahazo valinteny mahafa-po ireo mpiasa. Tsiahivina fa nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ny alatsinainy teo, nidinihana ny zava-misy. Nilaza ny minisitra fa tsy manakana ny hetsika ataon’ny mpiasa sady tsy hihaino feon-dakolosy tokana fa hihaino izay hambaran’ny Tale jeneraly ihany koa.

Henintsoa Hani

Partager sur: