Lalaon-tsaina an-gazety: natao hitazomana ny fitadidiana sy ny fiasan’ny atidoha

Mihamivoatra hatrany ny lalaon-tsaina samihafa maneran-tany sy eto Madagasikara. Mampiala voly sy manatsara ny fiasan’ny saina ny tena antony mahasarika ny maro manao azy ireny, toy ny mots croisés.

Maro mpisafidy sy be mpanao ny karazana lalaon-tsaina hita anaty gazety sy gazety boky isan-karazany maneran-tany. Ani­san’ny ahitana mpankafy maro ihany koa ny eto Mada­gasika­ra, raha ny fanadihadiana natao. “Mahasarika ny 16 % ny olona mividy gazety an-tsoratra eto Antanana­rivo ny lalaon-tsaina”, araka ny fanadihadiana nataon’ny ivontoerana iray etsy Andrai­narivo, tamin’ny taona 2009. Antony hisafidianan’ny maro izany ny maha fialamboly azy io eo amin’ny fiainana. Ankoatra izay, mahasoa ny fiasan’ny atidoha sy hitazomana ny fitadidiana eo amin’ny mpilalao ihany koa izy io. Olona 50 taona mahery milalao ny “mots croisés” tsy tapaka, manana atidoha miasa tsara mitovy amin’ny olona 10 taona zandriny izy ireny, raha ny fikarohana nataon’ny mpahay siansa tamin’ny taona 2019. “Mahafinaritra ahy ny manao ny lalaon-tsaina amin’ny gazety satria mampianatra ahy zava-baovao isan’andro izany”, hoy Ralay, raim-pianakaviana nanontaniana. “Mivi­dy gazety tsy tapaka aho isan’ andro, ankoatra ny fanaraham-baovao, mahasarika ahy ireo lalaon-tsaina ao anatiny”, hoy hatrany izy. Maro ny karazana kilalaon-tsaina hita eny rehetra eny, toy ny “mots croisés”, “mots fleches”… Amin’ny ankapobeny, manatsara sy mihazona ny fitadidiana sy ny fifantohana ireny kilalao ireny, araka ny fikarohana nataon’ny mpandinika ara-tsiansa.
Tsy ny olon-dehibe sy ny tanora ihany no tia manao ny lalaon-tsaina an-gazety, fa efa mizatra tsikelikely amin’izany ny mpianatra madinika. Ma­no­didina ny 12 taona miakatra ny tena marisika amin’ny filalaovana ny kilalaon-tsaina an-gazety. “Sady milalao ny ankizy no mahazo fahalalana maro isan-karazany aorian’ny fahavitany ilay kilalao”, hoy Razaka­vola Gabriel, mpamorona la­laon-tsaina, raha na­nonta­niana. “Anisan’ny fahalalana azo avy amin’ny filalaovana izany ny fahafantarana ny anaran’ny kintana iray akaikin’ny tany, izay maro ny tsy mahalala izany”, hoy ha­trany izy. Nam­ba­rany fa ma­soandro io kintana iray akaikin’ny tany io, araka ny anarana nomen’ny siantifika azy.

Fanazaran-tena mandritra ny telo volana

Mihatsara ny fiasan’ny atidoha sy ny fisainana ary ny fa­haizana mitadidy rehefa avy nanao fanazaran-tena 3 volana amin’ity lalaon-tsaina ity ny olona iray. Tsara raha manao ny iray amin’ireo lalaon-tsaina ny olona iray mbola mianatra. Mandritra ny antsasakadiny isan’andro, inefatra isan-kerinandro ary mandritra ny telo vo­lana ny anaovana izany. Tanjona ny hanazarana ny fiasan’ny atidoha eo amin’ny tsirairay.

Tsy afa-misaraka ny lalao sy ny fampianarana

Manana tanjona ny kilalao iray matoa nataon’ny mpamorona azy. Manondro tanjona sy fitsipika ary fifaninanana izany. Amin’ny ankapobeny, mampirisika ny fampiasana ny hatsilon-tsaina sy ny herin-tsaina ny lalao iray. Zavatra iray tsy afa-misaraka ny lalao sy ny fampianarana, raha ny zava-misy. Efa maro ny mpam­­­­­pianatra mampita ny fanabeazana amin’ny endriky ny lalao ankehitriny. “Tia milalao ny ankizy, mora leo nefa izy ireny rehefa ela loatra ny fampianarana omena azy ary mety ho tiany ny mianatra rehefa atao kilalao izany”, hoy i Haingotiana, mpampianatra. Rehefa mianatra ny ankizy any an-tsekoly na any an-trano, ataony amin’ny endrika kilalao ny lesona. “Mora hay kokoa ny fampitana ny lesona rehefa atao amin’ny endrika lalao”, hoy i Narovana, mpianatra.

Noforonina ny lalao daomy “double 8”

Anisan’ny kilalao iray tena mahavariana sy andanian’ny tokantrano sy ny fianakaviana andro ny milalao daomy. Ta­fiditra ao anatin’ny lalaon-tsaina ihany koa izy io. “Mihami­voatra ny lalao ary miezaka aho mamorona sy manatsara ny lalaon-tsaina efa nisy teto ammin’ny firenena sy avy any ivelany”, hoy hatrany Razakavola Gabriel. Hatramin’izay, “double 6” ny fahafantaran’ny maro io kilalao io. 28 ny fitamba­ran’ny vato lalaovina. Olona 3 ny milalao azy, daomy 7 ny eny antanan’ny tsirairay ary misy vato fito ambiny. Anisan’ny namorona ny kilalaon-tsaina domy fantatra amin’ny anarana hoe: “double 8” izy. Nandritra ny fo­toan’ny fihibohana no namoronany izany. Ho an’ity daomy vaovao ity, lasa 45 ny isany ary 9 ny eny antanan’ny tsirairay. lasa mitombo efatra ny mpilalao mandritra izany ary 9 ny ambiny. Olona roa mifanandrina amin’ny olona roa ny fomba filalaovana ity kilalao iray ity. Mahasarika ny tanora sy ny ankizy eny anivon’ny sekoly ny filalaovana azy io noho ny maha vaovao azy. “Tsy sarotra ny filalaovana azy na dia miavaka amin’ny daomy mahazatra aza”, hoy ireo ankizy nanontaniana. Ankoatra izay, anisan’ny zavatra kasainy hatao ny famoronana klioba momba ny “jeux de reflexion”. Klioba natokana hampianarana olona, hampialana voly, hanitaran-tsaina ary fiarovana ny olona amin’ny fahaverezan’ny fitadidiana.

Nanatontosa: Mino

Partager sur: