Mbola mahazaka sehatra: hitohy ny « Pao-tsatroka ho an’i Henri Ratsimbazafy »

Nakotrokotroka ny fankalazana ny faha-90 taonan’
i Henri Ratsimbazafy, tamin’ny taon-dasa. Ankoatra ny fo­toam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andria­manitra, nahatontosa seho vi­tsivitsy ihany koa izy. Tsy teto an-tanindrazana ihany fa nisy koa ny fihaonany tamin’ireo mpankafy tany Frantsa, ny volana oktobra lasa teo. Nambara tamin’izany fa iny no seho hataony farany any Frantsa. Nanamafy kosa anefa ity andrarezina ity fa rehefa mbola afaka mihira izy dia hiaka-tsehatra foana eto an-tanindrazana.
Araka izany, hitohy hatrany ny “Pao-tsatroka ho an’ i Henri Ratsimbazafy”. Hisy ny seho izay hotontosaina ny alahady 8 septambra izao, ma­nomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Toerana izay efa mahazatra an’i Henri Ra­tsimbazafy sy ireo mpankafy azy nandritra ny taona maro nifandimby. Hanara-dia azy eo hatrany ireo mpitendry niara-dalana nandritra ny fotoana maro. Hampiara-peo amin’i Henri Ratsimbazafy kosa i Voahirana, izay efa mpihira tao amin’ny tarika fotoana ela rahateo. Eo ihany koa i Mahery, tarika Johary sy i Lilie, izay efa mpanaraka an-tsehatra an’ity mpanakanto reharehan’ny Malagasy ity.
Mbola mahazaka fampisehoana i Henri Ratsimbazafy na eo aza ny vesatry ny taona. Hiaraha-mamerina, araka izany, ireo hira izay nanamarika vanim-potoana maro nifandimby, mbola ankafizin’ny taranaka aty aoriana.

Zo ny Aina

Partager sur: