Minisiteran’ny fambolena: nizara masomboly hiatrehan’ ny tantsaha ny voly avotra

Mitohy ny fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny voly avotra amin’ity taom-pambolena 2024 ity. Anisan’ny nisitraka izany ny tantsaha any Alaotra Mangoro sy Bongolava.

Mitohy ny fanohanana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny tantsaha mahafeno fepetra mahaloa ny 10% ny vidin’ny kojakojam-pamokarana.
Voakasik’izany ny entina hiatrehana ny voly avotra amin’ity taom-pambolena 2024 ity, miisa 25 ny tantsaha, mpamboly vary nisitraka tohana tany amin’ny distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny 2 aogositra teo. Nahazo masomboly vary an-drano milanja 375 kilao, zezika NPK 750 kilao ary zezika biolojika 1 250 kilao.
Torak’izany koa ny any amin’ny distrika Tsiroano­mandidy, faritra Bongolava. Miisa 81 ny tantsaha any amin’ny kaominina Bemahata­zana nahazo tohana amin’ny seha-pihariana vary an-drano, ny 2 sy 3 aogositra teo. Hoentin’izy ireo hiatrehana ny voly avotra amin’ity taom-pambolena 2024 ity izany. Nahitana masomboly vary an-drano milanja 729 kilao, zezika NPK 1 215 kilao ary zezika biolojika milanja 6 075 kilao.

Faritra miisa 20
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Purpa, avy amin’ny Tahirimbola ho fampandrosoana ny famokarana (FDA), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) no nanatanterahina ireo, mandritra ny roa taona (2022-2024). Fama­tsiam­bola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) sy ny Tahirim­bola afrikanina ho an’ny fampandrosoana (FAD). Tanjona ny hampitomboana ny vokatra, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Miisa 126 000 ny tantsaha kendrena hisitraka ny tetikasa Purpa any amin’ny faritra 20 eto amin’ny Nosy. Manodidina ny 18,866 miliara Ar ny famatsiam-bola, honerana tsikelikely mandritra ny 40 taona.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: