« Projet TQS» Tanora malagasy telo hisitraka ny tetikasa

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny lanonana tsotra nanehoana ireo tanora andiany voalohany hisitraka ny tetikasa tolotrasa ho an’ny tanora mpiasa manana fahaiza-manao manokana na « Projet de recrutement de jeunes travailleurs qualifiés spécialisés » (TQS). Niatrika izany i Kaori Tanaka, solontena maharitry ny Jica eto amin­tsika sy ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Tanora malagasy miisa telo, manam-pahaizana manokana momba ny fambolena sy fiompiana no hisitraka ity tetikasa tolotrasa ity.
Fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Agence de coopération japonaise (Jica) no nahitana ny tetikasa TQS. Ny fahanteran’ny mponina any an-toerana ka tsy ahafahan’izy ireo miasa be intsony no antony nanaovana tolotrasa ho an’ny tanora manana fahaiza-manao manokana amin’ireo firenena mpiara-miasa amin’i Japon, amin’ny alalan’ity tetikasa ity. Haharitra dimy taona, havaozina isan-taona, ny fifanarahana arakasa. Hizara ny traikefany amin’ireo mpisehatra amin’ny fambolena eto Madagasikara ireto tanora ireto, rehefa mody eto an-tanindrazana.

Lin

Partager sur: