Taratry ny kanto

Ry Tary Tarika, eny amin’ny No Comment Bar. Manome fotoana ireo te hianoka mozika vaovao izy ireo, ny alakamisy 8 aogositra manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Tarika iray ivondronan’ny tanora mpankafy mozika, indrindra ny gadona reggae izy ity. Manafangaro amin’ny mozika nentim-paharazana ihany anefa ry Tary Tarika.

Manana ny maha izy azy, hono, ny kolontsaina malagasy. Marina amin’ny ampahany ihany io. Tsy azo lazaina ho kolontsaina malagasy intsony mantsy ny ankamaroany na ny sasany amin’ireny hita etsy sy eroa ireny. Rehefa mitsipaka na manimba ny soatoavina malagasy, tsy kolontsaina Malagasy izay. Dihy mamoafady, tsy an’ny Malagasy. Ka, raha ireny no ambara fa manana ny maha izy azy, tsy marina!

Mbola voamarina hatrany, hatramin’izao, fa raha tsy eo ireo ivontoerana, na foibe isan-karazany tantanan’ny vahiny, sahirankirana ny zavakanto ma­lagasy sasany vao afa-mivelatra. Tranga mahamenatra, saingy, tsy mbola mahadingana izany ny Malagasy, hatreto. Tranga mety hitarika any amin’ny famerenana indray ny “tokotanibe” isan-tanàna. Miainga any amin’ny fokontany.

Eny amin’ny Trano famakiamboky Ambatobe sy Amboditsiry indray no hanatanterahina ny hetsika “Lecture en rire”, amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hetsika natao hamakina boky, larona hatsikana izy ity. Tanjona ny hisarihina sy hitazonana ny olona, indrindra ny ankizy, ho tia vaky boky.

Partager sur: