Tafakatra dimy ireo namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina « fano », tao Ambinany Atsimo, Ambomitraka, kaominina Antalaha, hatramin’ny omaly. Zaza vao herintaona mahery ny iray tamin’ireo namoy ny ainy. Nanaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly ireo lasibatra hafa.
Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona efatra voarohirohy ho nanaparitaka laza adina bakalorea, tao amin’ny faritra Menabe. Tsy ampy taona ny iray tamin’izy ireo ary mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina ny namany.