Vaovao tambatra

Mahatratra 55,5 taonina ny horita azon’ireo mpanjono ao amin’ny faritra SAVA nandritra ny fisokafan’ny Jono tao an-toerana, ny 01 aogositra teo. Vokatra azo tamin’ny fiaraha-mitantana ny harena anaty rano iarahan’ny minisitera sy ny mpanjono madinika. Marihina fa nikatona roa volana ny jono horita tao Sava.

Hiverina amin’ity volana ity ny sidina mampitohy an’i Taolagnaro sy Toliara ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Hanomboka ny 15, 23 ary 25 aogositra izao ny fiverenan’ny sidina mba hahafahan’ireo mpiala sasatra sy mpizahatany manararaotra ny tolotra omen’ny kaompania.

Tapaka fa hanohy mampiasa ny volany avy ny firenena afrikanina sy ny rafitra panafrikanina momba ny fandoavam-bola (PAPSS) nandritra ny fivoriambe ny Caucus africain 2024, natao tany Abuja-Nizeria. Hanamora ny fifanakalozana ara-bola amin’ny fomba azo antoka sy mahomby amin’ny sisintany afrikanina io rafitra io.

Partager sur: