Indray mijery

Ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Avo telo hatramin’ny efatra heny amin’ny fetran’ny OMS ny refy rehetra voaray ka mankarary ireo olona marefo. Vinavinaina hijanona ho ambony hatrany ny tahan’ny izany ao anatin’ny telo andro ho avy ka tokony hitandreman’ireo olona marefo. Mbola mijanona ao anatin’ny andro mafampana amin’ny ankapobeny ny maripana.
Hiara-hanantanteraka fanazaran-tena amin’ny volana septambra ho avy izao ny BNGRC sy ny Tafika Malagasy. Ho fiomanana, nangataka fifanomezan-tanana sy fanamorana amin’ny ankapobeny avy amin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny tale jeneralin’ny BNGRC. Manana ireo fitaovana manara-penitra sy ireo miaramila voaofana manokana mikasika ny fiatrehana ny hame­hana ny minisiteran’ny Foloalindahy.
Nampahafantatra ny masoivoho amerikanina ho an’ireo tanora mpitarika malagasy fa hisokatra amin’ ny 13 Aogositra ho avy izao indray ny fandefasana an­tontan-taratasy fifaninanana hahazoana ny vatsim-piofanana Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders ho an’ny taona 2025. Azo isafidianana ny fiofanana momba ny Business, Civic Engagement, na Public Management.
Vita ny adisisika amin’ny fizarana lay faobe manerana ny faritra 23. Tanjona ny hanamorana sy ny hanohanana ary ny hitondran’ireo tomponandraikitra ara-panjakana, mpitondra fivavahana, mpitondra ara-drazana, olona to-teny ary ny mpitarika eny anivon’ny fiarahamonina ny anjara birikiny amin’ny fizarana maimaimpoana. Eo koa ny haneken’ny olona ny fizarana ny lay sy hatoriany ao anaty lay misy odimoka isak’alina.

Partager sur: