Raharaha Romy Voos: mbola meloka amin’ny resaka kolikoly

Tsy voafafa ny fiampangana an’i Romy Voos Andrianarisoa, ho nanao kolikoly. Nisitraka fanalefahan-tsazy izy, noho ny fahafenoana be loatra ny fonja, hoy ny ambasady britanika.

Nanao fanambarana ta­min’ny kaonty Face­book-ny, omaly, ny am­basady britanika eto Mada­gasikara. Nivoitra tamin’izany fa mbola mitombina ny fiampangana an’i Romy Voos Andrianarisoa, talen’ny kabinetran’ny Fiadiadiana ny Repoblika teo aloha. ” Tsy foana ny fiampanganana azy ho nanao kolikoly. Nisitraka ilay famoahana gadra ho fisorohana ny fahafenoan’ny fonja diso tafahoatra izy. Ity fepetra ity dia natokana ho an’ireo olo-meloka manana zom-pirenena vahiny. Takina ny fahavitany ampahany amin’ ny fanagadrana azy, ary tsara fitondran-tena sy tsy mahery setra. Mifanaraka amin’izay kosa dia voaroaka amin’ny firenena anglisy izy.”, hoy ny fanambarana.
Manamafy ny masoivoho anglisy eto Madagasikara fa tsy manam-petra ny fandrarana an’i Romy Voos tsy miditra any amin’ny firenen’izy ireo. Mety hisy ihany anefa izany raha manaja sy manaiky ny fepetra rehetra takina amin’ny fandravana ny fepetra ilay olona voakasika. Tsiahivina fa nahavita herintaona tamin’ny saziny 42 volana navoakan’ny tribonaly britanika miady amin’ny kolikoly, ny 22 febroary 2024 izy. Nanamafy ny mpanao fanadihadiana tany an-toerana fa : ”Mpiasam-panjakana ambony, mpanao kolikoly i Romy Voos Andrianarisoa, izay nikasa ny hanankarena amin’ny maha mpiasam-panjakana azy izay.”
Ny 10 aogositra 2023 no voasambotra, tratra ambodiomby ho nikasa hanao kolikoly i Romy Voos ka nivoaka ny fonja ny 24 jolay 2024. Voaroaka ka nisafidy an’i Frantsa izy ary ireny nanao fanambarana miezinezina tao amin’ny fahitalavitra TV5 Monde ireny.

r.r

Partager sur: