Taratry ny kanto

Any Antsirabe ny Hosana Ambohijatovo. Hisy
ny seho indroa miantaona izay hataon’izy ireo, ny zoma
9 aogositra ao amin’ny O’Carrefour ary ny alahady 11 aogisitra, ao amin’ny Kianja Maitso SPAAM Antsenakely. Seho fiderana tafiditra anatin’ny fitetezam-paritra hataon’ izy ireo, ho fanamarihana ny faha-60 taona nisiany izany.

Hisy ny atrikasa momba ny feo, izay tontosaina any Toamasina. Hizara ny traikefany ho an’ireo mpihira te ho matihanina i Heman, mpitarika ny Meva Gospel. Hatao ny 12, 13 ary 14 aogositra izany, eny amin’ny Trano Mora Man­garano. Intelo misesy ny atrikasa ka hizara ho vondrona telo ihany koa ireo izay liana hanatsara ny fomba fihirany.

Hitohy androany, amin’ny alalan’ny “Jazz V.I.P”, eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely, ny “Fes­tival Jazz Tohatohabato”, andiany faha-13. Anisan’ ny hampiavaka ity fampisehoana ity ny fandraisan’ireo Tomponan­draikitra ambony maro samihafa, na ny ara-panjakana izany, na ny eo anivon’ny sehatra isan-kara­zany.

Ao anatin’ny hetsika “Ensemble le RDV”, eny amin’ny CGM Analakely, anio, indray no hampahafanta­rana momba ny tontolon’ny “Cirque”, indrindra ireo mpisehatra ao anatin’izany. Hetsika hampahafantarana asa iray eo amin’ny tontolon’ny zavakanto izy ity, hampiroboroboana sy hampahafantarana ny mahakasika zavakanto iray.

Partager sur: