“Tsy manara-dalàna ny mpitondra”

Nitondra ny heviny manoloana ny hanoloran’ny praiminisitra ny fandaharanasa ho fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanja­kana (PGE) koa ny mpitondra tenin’ny vovonana Firaisankina, i Paraina Auguste.

Nanamafy ny voalazan’ny mpanorina ny Tim, Ra­valomanana Marc, ny tenany tamin’izany. “Tsy ma­naraka ny lalàna io fiantsoana ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny parlemanta io sy ny fandrafetana ny politikam-panjakana ankapobeny”, hoy izy, omaly. Mazava ny voalazan’ny lalàna amin’ny fandrafetana izany PGE izany, araka ny nambarany. “Tsy maintsy mi­ainga amin’ny filankevitry ny governemanta miaraka amin’ ny praiminisitra ny famolavo­lana sy fandrafetana izany ary mandalo ny filankevitry ny minisitra koa avy eo”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa tsy ara-dalàna raha olona roa ihany amin’ny alalan’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra samirery no manatanteraka izany, miaraka amin’ireo minisitra sasantsasany, efa nametra-pialana. Nanteriny fa tratran’ny ny fanenjehana fotoana ny amin’ny tsy maintsy hanatantera­hana izany, mialoha ny 12 aogositra ny mpitondra fanjakana ka zary manaotao fahatany. Sahirana izy ireo amin’ny fananga­nana governemanta ka manao amboletra tahaka ny efa mahazatra azy, araka ny nambarany hatrany.

Mangina ny HCC

Etsy andaniny, notsikerainy koa ny eo anivon’ny HCC mangina, tsy ahitan-teny manoloana izany, ambarany ho fandikan-dalàna izany. Tahaka izany koa ireo mitonona ho mpahay lalàna tokony haneho hevitra hampahatsiahy fa tsy mifanaraka
amin’ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana izao ataon’ny mpitondra izao.
Tsahivina fa nanao fanambarana tsy mifanalavitra amin’izao koa ny filoha mpiara-mitantana ny Firaisankina, Ravalomanana Marc, afakomaly. Notsindriny tamin’izany fa tokony hitsangana, mialoha ny rahampitso zoma ny governemanta mba ahafahan’ ny praiminisitra manolotra ny fandaharanasa ho fanatantera­hana ny PGE, eny amin’ny Antenimiera roa tonta.

Synèse R.

Partager sur: