Afo tany Isalo: olona iray voasambotra

Nanome fampitam-baovao ny Madagascar National Parks (MNP), sampana Ranohira, fa nirehitra ny tanety ma­no­didina ny 2 ha tany amin’ny valanjavaboahary Isalo, ny sabotsy 3 aogositra teo tokony ho tamin’ny 12 atoandro. Voafehy ny ampitso 4 aogositra tamin’ny 4 ora maraina ihany izany. Miisa efatra mitsitokotoko ny fiandohan’ny afo tany andrefana sy avaratry ny « Fenêtre de l’Isalo ».
Efa nandray andraikitra ny MNP talohan’ny nitrangan’ny afo. Nampitomboina 7 lahy ny mpiambina ny « Fenêtre de l’Isalo » nanampy ny mpiasan’ny AGP. Nahitana olona maromaro niditra tany amin’ny faritra ambenana ka voasambotra ny olona iray ary nalefa any Ranohira.
Anisan’ny nanafaingana ny fihitaran’ny afo ny andro mi­gaingaina sady nandrivotra. Matevina ny bozaka sy ny zavamaniry satria ny taona 2017 no nisy trangan’afo farany. Novo­noina mivantana ny afo sady nasiana aro afo mba tsy hahakasika ny « Fenêtre de l’Isalo » sy ny sori-dalana Malaso ary ny ala manodidina.
Nifarimbona nanatanteraka izany ny mpiasan’ny Dredd Ranohira miisa 2, ny zandary 3, ny avy ao amin’ny kaominina Ranohira miisa 6, ny MNP (28), ny mponina (26), ny mpitaridia 29 ny PLAE 15 ny hotely Jardin du Roi (7).

Njaka A.

Partager sur: