Fiahiana sosialy Tsimbina: tokantrano 657 000 hahazo vola 250 000 Ar avy

Manao ezaka ny fanjakana mitondra vahaolana ho an’ny fianakaviana tena sahirana manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao.

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharanasa fiahiana sosialy Tsim­bina. Tanjon’ny tetikasa ny hanohanana tokantrano marefo ara-pivelomana hanalefahana ny vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hitazomana ny ankizy any an-dakilasy. “Hizarana fanampiana ara-bola indroa miantaona izy ireo miaraka amin’ny tantsoroka hafa”, hoy ny fanazavana. Tokantrano 657 000 ao anatin’ny distrika 119 manerana ny Nosy no hisitraka ny fiahiana. 53% amin’ny tanàn-dehibe ary 47% any ambanivohitra. Tsy afaka hisitraka ny fiahiana Tsimbina intsony ireo tokantrano efa mahazo tohana amin’ny vatsin’ankohonana, asa avotra mirindra, mijoro-milofo ary nomarihin’ny tomponandraikitra fa tsy misy vola alaina amin’ny tokantrano hahazo ny tohana Tsimbina.
250 000 Ar ny sora-bola hotsinjaraina isaky ny fianakaviana hisitraka ka atao indroa, 100 000 Ar ho an’ny dingana voalohany ary 150 000 Ar ho an’ny ampahany faharoa.
Ankoatra ny tohana ara-bola, homena tantsoroka toy ny fanabeazana ny ankizy, ny fanatsarana ny fidiran’ny toe-bola ao an-tokantrano, ny sakafo ara-pahasalamana koa izy ireo hampivoatra ny toe-piainan’ireo mpisitraka.
Tokantrano 251 191 amin’ny distrika 67 no efa nahazo ity tohana Tsimbina ity hatramin’izao. Tokantrano 182 ao amin’ny fokontany Ampahibe no nahazo ny vola tamin’ny alalan’ny mobile money. Hitohy amin’ny fizarana ho an’ny tokantrano 2 724 anatin’ny boriborintany dimy eto Antananarivo izany amin’ity herinandro ity. Ny tanàn-dehibe sy ny faritra Atsimo mizaka ny vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana no laharam-pahamehana amin’ ny tohana Tsimbina.

Vonjy

Partager sur: