Fifaninanana iraisam-pirenena: misongadina amin’ny sehatry ny robotika i Madagasikara

Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena robotika. Nanasongadina ny fahaizana manetsika sy mibaiko robot hanao zavatra iray izy ireo.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Mada­gas­car Andraharo, omaly, ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana ma­hakasika ny robotika. Fifani­nana iraisam-pirenena “Pan-African Robotics Competi­tion » (PARC) 2024. Notante­ra­hina tany Sénégal, ny 22-27 jolay lasa teo. Efa manomboka misongadina eo amin’ny sehatry ny robotika i Mada­gasikara. Nahazo ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’izany. “Zava-dehibe ary tena hifotorana ny lafiny fanabeazana sy fakana traikefa rehefa miatrika fifaninanana tahaka izao”, hoy Andrianarison Faly Christian, mpitarika ny ekipa, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety. « Anjara andraikitray tamin’ny sehatry ny robotika ny fanomanana sy fibaikoana ny zavatra tokony hataon’io robot io. Asan’ny robot ny mandeha sy miala amin’ny sakana rehetra eny an-tanimboly », hoy hatrany izy. Nanomboka ny volana mey izy ireo no nanomana ny “programmation” re­hetra. Nanetsehana, nibaikoana sy ny fialan’ilay robot ny sakana rehetra amin’ny ala­lan’ny fampiasana solosaina. Notakiana tamin’izy ireo ny famoronana robot mandrindra ny fomba fambolena sy nahafahana mikajy ny vokatra.
Lohahevitra tamin’ny fifaninana ny hoe: “the future is now” na ny “anio ny hoavy”. Mbola mpianatra avokoa izy dimy mirahalahy nandrafitra ny ekipa “team Robotiako”. Ezaka hotratrarin’izy ireo ny hampihatra eto an-toerana ny traikefa rehetra azo nandritra ny fifaninana natao tany ive­lany.

Mino

Partager sur: