Maro ny mpiantsehatra misahana ny maha olona rehefa ao anatin’ny hamehana manoloana ny loza sy ny tandindon-doza, toy ny ranobe vokatry ny rotsakorana. Zava-dehibe ny asa fiomanana mialoha, hampihenana ny vokatry ny loza amin’ny fiainan’ny vahoaka sy ny fihariany. Volavolaina mialoha ny hafatra hoentina eny amin’ny mpiantsehatra rehetra ho an’ny mponina. « Mila havaozina izany mba ho serasera iraisan’ny rehetra no atolotra ka mitovy ny fomba fiteny ho an’ny sehatra voakasika: foibe famantarana ny toetry ny andro, Croix Rouge malagasy, BNGRC, minisiteran’ny Mponina, ireo mpiray ombon’antoka samihafa », hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja.
Samy efa manana ny traikefany ny mpisehatra amin’ny maha olona fa akambana hamoaka serasera iraisana eny an-kianja, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Crox Rouge Malagasy, Ratsimamanga Andoniaina. Roa andro ny faharetan’ny atrikasa, hamolavolana serasera iraisana iarahana amin’ireo teknisianina. Hibahan-toerana ny asa fiomanana hiatrehina ny ranobe satria hiditra amin’ny fotoam-pahavatratra manaraka indray isika tsy ho ela.
Rehefa tsara fiomanana, mihena ny vola ilaina amin’ny famaliana hamehana sy ny fiarenana. Raha 5 miliara dolara ny vola natokana ho an’ny firenena 15 ao anatin’ny Sadc hiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza entin’i El nino ny taon-dasa. 125 tapitrisa dolara no nampiasain’i Madagasikara vokatr’ireo fifarimbonana nataon’ny mpiantsehatra rehetra.
Vonjy