Indray mijery

Loza mitatao ho an’ny tanora ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida. « Tokony ho tonga saina izy ireo satria ahitana taha ambony amin’ny olona mitondra ny tsimokaretina ny Oniversite », hoy ny minisitry ny Fahasalam-bahoaka. Manao hetsika manokana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanentanana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.

Hisantatra ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, ny 9 septambra ho avy izao, ny ambaratongam-pampianarana telo eto amintsika. Efa mikarakara ny toeram-pandraisana ny mpitantana ny sekoly: mandoko ny efitrano, manolo ny latabatra sy ny seza ary ny fitaovana enti-mampianatra. Misy amin’ireo mpanabe no miofana manokana rehefa fialantsasatra toy izao hanamafisana ny fahaiza-manao.

Tanterahina any Mahavelona Foulpointe ny jobily faha-160 taona ho fahatsiarovana ny nidiran’ny misiona anglikana teto Madagasikara. Miomana amin’izany ireo mpino kristianina anglikana manerana ny Nosy. Misy ny fandaminana isam-pitandremana hahafahana mandrindra ny fivahinianana hatao.

Nanadio ny lakandranon’Andriantany, eny amin’ny faritra Ramanandraibe III G Hangar, ny Apipa tamin’ity herinandro ity. Somary ambony toerana kokoa ity lakandranon’ Andriantany ity raha oharina amin’ny lakandrano C3 izay misampana eo amin’io toerana io. Tsentsina avokoa ny lalan-drano ka izany no hanatanterahina ny hetsika fanadiovana, fanalana tsikafona, miaraka amin’ny fitaovana mekanika.

Partager sur: