Tsy teto Analamanga ihany. Nahazoana akony tsara ihany koa ny fankalazana ny « Iray volan’ny hosodoko » tany Atsimo Andrefana. Maro ireo tanoran’i Toliara no resy lahatra ka niroso tamin’ny fandalinana izany.
Nandray anjara tamin’ny “Iray volan’ny hosodoko” ihany koa ny tany Atsimo Andrefana. Tsy nitsanga-menatra noho ny fankalazana izay nisy isam-paritra, satria tena nampihetsi-po ny rehetra ny fiangaliana mivantana ny sary hosodoko nataon’ireo mpandray anjara. Ilay “Live Painting”, nataon’ireo mpandray anjara nivantana nandritra ny adiny iray latsaka fahefany avy, izay nampisehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony sy ny hakingany. Dimy ny mpandray anjara tamin’ity indray mitoraka ity ka sary hosodoko 26 no nampirantiana tamin’izany, ary tabilao efatra no lafo nandritra io fotoana io.
Anisan’ny nandray anjara i Jeannot Randriatiana Christian izay mivelona amin’ny asa fanaovana hosodoko ary efa niantsehatra roapolo taona amin’ity sehatra ity. Anisan’ny mpianatra tranainy tao amin’ny CPGIS Toamasina izy, ary efa nandalo fiofanana maro hafa koa. Anisan’izany ny fandraisany anjara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka nahazoany ny loka voalohany tany France, tamin’ny taona 2008, amin’ny fanaovana hosodoko mivelatra sy any amin’ny toeram-pitsangatsanganana momba ny zavaboahary tany an-toerana ihany.
Manana traikefa manokana momba ny « peinture à l’huile argilique” ny tenany. Mahakasika ny ampela na ny vehivavy fa indrindra ny reny no tena sary hosodoko manavanana sy foroniny na izay mifandraika amin’ny hatsaran’ny tontolo manodidina azy ireo. “Tsy lehilahy ny lehilahy raha tsy misy ny ampela na ny vehivavy ka anisany hanandratany avo sy hiadiany ny tsindry mahazo ny vehivavy ”, hoy izy. Araka izany, avoitrany amin’ny sary hosodoko ataony ny totolon’ny ampela.
Nampahafantatra ihany koa ny avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolotsaina fa miroso aminy famelomana sy fampiroboroboana ny dihy netim-paharazana sy ny “danse de salon” izy ireo amin’izao fotoana izao. Maro koa ny vina sy ny tetikasa kasain’izy ireo aminy fanaovana fafaninana eny ifotony ka ao amin’ny kominin’i Miairy no hanaovana izany amin’izao andro fialantsasatra izao. Tanjona ny hahafahana mitrandraka talenta vaovao sy hanagonana vakoka mapiavaka ny foko masikoro.
Zo ny Aina