« Jazz Quartier »: tanjona ny hampahafantatra ny Jazz amin’ny rehetra

Hitohy anio, amin’ny alalan’ny « Jazz Quartier » ny « Festival Jazz tohatohabato » andiany faha-13. Miainga amin’ny 9 ora maraina eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, mandalo an’Ambohidahy, Anosy, Andavamamba, 67ha, Antanimena, Tsaramasay, Analamahitsy ary hifarana eny Sabotsy Namehana izany hetsika izany. Mpanakanto mpiangaly Jazz maro no hifandimby hanafana ny sehatra mandritra izany. Fiarabe no avadika ho sehatra ahafahana mitendry amin’ity anio ity.

Anisan’ny fanambin’ny mpikarakara ny “Jazz Tohatohabato”, amin’ity andiany faha-13 ity ny hahafahan’ny rehetra mankafy sy mahafantatra ny Jazz. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hanatrarana izany vina izany ity “Jazz Quartier” ity.  Fanatonana sy fidinana eny ifotony no tena hevitry ny hetsika. Tsy ireo efa mahafantatra sy mankafy ihany, araka izany, no hianoka ny “Festival Jazz Tohatohabato” fa ny rehetra. Mbola vitsy ny mahafantatra ny Jazz raha ny eto Madagasikara manokana. Anisany mahatonga izany ny tsy dia fisokafan’ity karazana gadona ity tamin’ny tontolon’ny mozika malagasy. Izany indrindra no anton’izao hetsika izao.

Lin

Partager sur: