Kianja Barea: 40 nisitraka fiofanana tamin’ny Caf

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Miisa 40 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nahazo fiofanana tamin’izany. Anisany ny teo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ ny klioba 16 mandrafitra ny Cfem ary ny zandary sy ny polisim-pirenena.
Tanjon’ny FMF amin’ity hetsika ity ny tsy hisian’ny olona maty intsony rehefa misy lalao iraisam-pirenena. Tsiahivina fa i Ababacar Sene sy Fergani Hafid no mpampiofana nale­fan’ny Caf raha toa ka i Katharina Steinberg no solotenan’ny Fifa nandritra izay telo andro izay. Ankoatra izay, nilaza ny Federasiona fa hisy ny fampiofanana manaraka, izay hiarahan’izy 40 mianadahy ireo amin’ny Fifa. Tsara ny mampahafantatra fa na misy aza ny fiofanana dia tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf hatrany i Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: