Mpanjono: tanjona ny hananana matihanina 37 500 isa

Mandray anjara feno amin’ ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famatsiana ny mpiara-belona manerana ny Nosy ary manome lanja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Tantsaha avokoa ny 75% ny Malagasy ka ampirisihina ny hanatonan’izy ireo ny biraom-panjakana sy hiditra anatin’ireo fikambanana tantsaha mba hampahafantatra ny vokatra ataony sy hitady lalam-barotra.
Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny jono eto Madagasi­kara. Tanjona, araka izany, ny hahamatihanina ny mpanjono hatrany amin’ny 37 500 manerana ny Nosy. Ankehitriny, tafakatra 3 700 ireo nisitraka fiofanana raha toa ka 2 300 izany teo aloha. Mbola mitohy, araka izany, ny fampiofanana omen’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ho an’ny famokarana anaty rano.

Toekarena

« Mbola malalaka ny tsenan’ny jono eto amintsika noho izy ahitana rohim-pihariana maro », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Katsaka hatrany amin’ny 350 000 taonina isan-taona no ilaina ho an’ny famokarana provandy. Nilaza izy fa anisan’ny mampidi-bola betsaka eto amin’ny firenena ny jono. Ny taona 2022, nahatratra hatrany amin’ny 560 miliara Ar ny azo tamin’ity seha-pihariana ity.
Ankoatra izay, takina ny habetsaky ny vokatra sy ny hatsaran’ny kalitao miditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Atao izany mba hampiakarana ny vokatra aondrana sy hampakarana ny sandam-bola.

Henintsoa Hani

Partager sur: