Mpanolotsain’ny Prezidansa, Rajoelina Patrick «Mbola iadiana hevitra ny momba ireo Nosy manodidina»

Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Global Africa Telesud ny mpanolotsaina diplaomatika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rajoelina Patrick, ny 7 aogositra teo. Maromaro ireo fanazavana nentiny momba ny raharaham-pirenena.

Anisan’ny nambarany ny momba ny fifandraisana eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara. Eo ny momba ireo Nosy manodidina. “Mbola adihevitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany izany”, hoy izy. Na izany aza, tsy namaly mivantana ny fanontanian’ny mpanao gazety ny amin’ny tsy niresahan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha Emmanuel Macron momba ny îles eparses tamin’ny fihaonan’izy ireo farany teo, Rajoelina Patrick. Nanteriny kosa anefa fa betsaka ireo fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena roa tonta ka anisan’izany ny teleferika (TPC).
Etsy andaniny, nohamafisiny fa antony nanesorana ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina (UE), Isabelle Delattre, niasa teto ny fitsabahany lalina amin’ny raharaha anatin’ny firenentsika. “Na­nitsakitsaka ny fifanarahan’i Vienne izy tamin’ny fitsipahany ny famosirana ireo mpanolana. Politika entina miady amin’ny herisetra sy ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona anefa izany ka tsy tokony hidirany”, hoy izy.
Fanaratsiana ny filoha Rajoelina Andry
Ankoatra izany, nanteriny fa hadisoana kely ny nahatonga ny fanamelohan’i Mada­gasikara an’i Rosia amin’ny ady ifanaovany amin’i Ukrai­ne. Tsy nomena toromarika momba izany ny minisitra teo aloha, Randriamandrato Ri­chard, araka ny nambarany.
Nohitsiny koa fa betsaka ireo fanendrikendrehana sy fa­naratsiana ary fanenjehana atao amin’ny filoha Rajoelina Andry, amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy. “Tsy mitombina avokoa anefa izany rehetra izany”, hoy ihany ity minisitry ny Ra­haraham-bahiny teo aloha ity.

Synèse R.

Partager sur: