Taratry ny kanto

Farakely ao amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela indray no tsy niaka-tsehatra izy. Saingy efa nanao safidy tsy hisaraka amin’ny mozika kosa anefa ka manome fotoana ireo mpankafy azy indray anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Ankoatra ireo hirany manokana, hizara ireo hira ankafiziny amin’ireo mpijery koa ity mpanakanto ity.

“Mozikanay Bomba”. Fotoan-dehibe ho an’ireo mpankafy ny Hip-Hop, indrindra ireo efa nahazoazo taona ny anio. Hifandimby an-tsehatra etsy amin’ny La City Ivandry indray ireo nanomboka ny rap gasy toa an-dry Da-Hopp, Diosezy, Samantah sy Kayah, Tst Baz, Rapadango, North & Center, Karnaz, sns, manomboka amin’ny 7 ora alina.

“Feo sy gitara” any Mampikony
. Sambany sady fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy any an-toerana ity. Hitondra ny vazo an-gitara ry Mbola Talenta, Hoby, Rafita ary Rijakely, anio manomboka amin’ny 9 ora alina, ao amin’ny La Piscine Mampikony. Mety tsy mahazatra ny any an-toerana, saingy nangatahin’ny mpankafy maro izany.

“Live Music”, eny amin’ny L’Arboretum Ankorondrano. Fotoana efa mahazatra ireo mpankafy mozika mivelatra, iarahana amin’i Elsie ny anio. Hitety vazantany sy vanim-potoana mihitsy ireo izay hanatrika izany. Hitrotro ireo hira safidin’ity mpanakanto ity ireo mpitendry efa zatra mpanaraka azy, ahitana an’i Fy Rajaofetra eo amin’ny Piano sy i Hasina eo amin’ny saxophone.

Partager sur: