Vaovao tambatra

Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro sy tamin’ny 5 ora hariva.

Mety hiakatra 25% ny « Impôt sur les revenus salariaux et assimilés (IRSA) » alaina amin’ny ampahan-karama ambony sy antenantenany raha toa ka 20% izany teo aloha. Atao izany mba hampitomboina ny vola miditra ho an’ny fanjakana malagasy hatra­min’ny taona 2027 sy ahafahana misitraka ny Facilité élargie de crédit (FEC) sy ny Facilité pour la résilience et la durabilité (FRD) ao anatin’ny fifanarahana miaraka amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena.

Nihena 56,5% ny nikela naondrantsika, nidina ny vidiny sy ny habetsany. Nihena ihany koa ny vola azo avy amin’ny kobalta. Mahatonga izany ny famokarana mihoa-pampana maneran-tany sy ny fitomboan’ny tinady.

Partager sur: