Nisavoritaka vao maraina ny fokonolona ao Ambalamanasy, Carreaux fahatelo, afakomaly. Anton’izany ny filazana fa hisy ny fandravana tokantrano manodidina ny 120 tafo any an-toerana. Efa tonga teny an-toerana ny vaditany nanatanteraka ny didy fanesorana ny fefy sy ny trano eo amin’ilay toerana. Tsy nanaiky lembenana tamin’izany ny fokonolona ary niaro ny taniny. Nambaran’ireo mponina fa azy ireo ny tany satria efa nanajary izany nandritra ny taona maro izy ireo. Nisy tamin’ireo fokonolona no efa nanorina tranovato, izay nahazahoana taratasy ara-dalàna. Manoloana ny savorovoro, tonga teny an-toerana ny olom-boafidy avy any amin’ny disitrikan’i Toamasina II. Nifampiresaka tamin’ny vaditany mba hanatsaharana ny fandravana sy ny fanesorana ireo olona monina eo amin’ny tany. “Tsy hita intsony izay tena marina momba ny fananantany eto Toamasina satria mahazo manala olona amin’ny taniny ireo milaza fa manam-bola. Mahazo didy fanohanana ihany koa ny mpifanandrina aminy noho ny hadisoan’ny fitsarana avokoa izany», hoy ny loharanom-baovao iray nanontaniana.
Sajo