Famatsiam-bola Exim Bank: hatsaraina ny tambajotra herinaratra RIA

Misy ny tetikasa goavana, hitaterana herinaratra hanatsarana ny Tambajotra irai­san’Antananarivo (RIA), ho an’ny faritra Analamanga, Vaki­nankaratra ary Itasy. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa « Tana Medium Ring » (TMR) ity asa ity, vatsian’ny banky sinoa Exim Bank. Tanjona ny hampitomboana ny tahan’ny mpanjifa misitraka herinaratra, araka ny voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), ho fampivoarana ny maha olona sy fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara.

Tariby mirefy 185 km
Hanatanteraka ny tetikasa TMR ny orinasa TPBEA. Miisa 8 ny toby « sous station » hatsangana, miaraka amin’ny andry « pylône » milanja ny tariby mpitatitra herinaratra mirefy 185 km. Mahatratra 90 kiloVolt ny tanjaky ny herinaratra mahery vaika entiny. Tafiditra ao anatin’ny asa ihany koa ny fanorenana toerana fanamboarana fitaovana manova herinaratra « unité de montage de transformateurs », MT/BT eny Ime­rin­tsiatosika.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoelina, natrehin’ny praiminisitra Ntsay Christian, sy ireo minisitra isan-tokony misahana ny fampandehanan-draharaha ity tetikasa ity, ny 7 aogositra teo.

Njaka A.

Partager sur: