Depiote 45 nanaiky, valo nivoaka ny efitrano fivoriana. Izay ny tsangan-tanana taorian’ ny adihevitra ny amin’ny fanoloran’ny Praiminisitra Ntsay Christian na tsia ny programanasa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. “Tokony ho teo anivon’ny filankevitry ny governemanta no nametrahana programa fanatanterahana ny PGE”, hoy, ohatra, ny lehiben’ ny mpanohitra, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Nefa efa nametra-pialana avokoa ireo minisitra. Nangatahiny ny fijoroan’ny governemanta aloha. “Tsy misy lalàna hoe tsy mahazo manolotra PGE ny Praiminisitra”, hoy ny depiote tsy miankina, Randrianasolo Jean Nicolas. Izay no nirosoana tamin’ny tsangan-tanana.
“Nankatoavina teo anivon’ ny filankevitry ny minisitra, ny janoary 2024, ny PGE ary ny fandaharanasa hanatanterahana azy dia efa novolavolaina, ny febroary 2024 teo anivon’ny governemanta”, hoy kosa ny Praminisitra. Efa nanomboka ny fanatanterahana asa tamin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024. Ho fanajana ny lalàmpanorenana dia tanterahina ny fanolorana izany, fa nisy ny fanendrena vaovao azy ho Praiminisitra taorian’ny fifidianana depiote.
Amin’izao fe-potoam-piasana 2024-2028 izao: laharam-pahamehana ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny fampiakarana ny harinkarena faobe, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fitantanana. Miompana amin’ ny andry telo lehibe ny hahatanteraka ireo: ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena, ny fahaiza-mitantana.
R. Nd.