Fantina sy fintina

Mbola mitoetra ny lonilony sy ny halako bika tsy tiako tarehy ataon’ny mpitondra, araka ny nam­bara’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, omaly. Anton’izany ny tsy nanohanan’ny fitondrana ny firotsahan-kofidin’ny filoha teo aloha, Rajaonarimam­pia­nina Hery, ho filohan’ny Vondrona afrikanina. “Efa maro anefa ireo mpanohana sy niaiky ny fahaizany”, hoy izy.

“Tena ataon’ny mpitondra kilalao ny fiainam-pirenena”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianai­narivelo Hajo. Nohitsiny fa nangataka ny praiminisitra mba ahemotra ny fifidianana fa tsy mbola mijoro ny governemanta. “Noraisin’ny governemanta, nametra-pialana indray anefa izao ny didy fiantsoana ny mpifidy. Tsy mitombina izany ny fanemorana ny fifidianana”, hoy izy.

Nohitsin’ireo CST sy CT ary loholona teo aloha fa tsy ara-dalàna ny namolavolana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). “Tsy hitondra fampandrosoana sy tsy hamaha ny olana sosialy izany io noho ireo fepetra maro napetraky ny mpiara-miombon’antoka amintsika. Tena ho tapi-dalan-kaleha ny fanjakana fa tsy maintsy natolotra ankamehana izany”, hoy izy ireo.

Maromaro ireo mpanao gazety, indrindra fa ny mpaka sary, tsy afaka niatrika ny fampahafantaran’ny praiminisitra ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), teny Tsimbazaza, omaly. Anton’izany ny fandaminana vaovao eny amin’ny Antenimiera. Niravona ihany izany avy eo taorian’ny fifampiresahana amin’ireo mpitantana.

Partager sur: