Karama ambony indrindra: mijanona ho 20 % ny tahan’ny Hetra alaina amin’ny karama (Irsa)

Tsy mitovy avokoa ny hetra alaina amin’ny karaman’ny tsirairay. Mijanona ho 20 % ihany kosa ny tahan’ny Irsa alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra.

Manamafy ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) fa mijanona ho 20% ny tahan’ny hetra alaina amin’ny ampahan-karama ambony indrindra taorian’ny filazana niparitaka fa hiakatra ho 25 % ny tahan’ny Hetra alaina amin’ny karama (Irsa). Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitan­tanam-bola (MEF), Rabariniri­narison Rindra Hasimbelo, fa « tafiditra tao anatin’ny adihevitra nifanaovana tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny fampakarana ny hetra alaina amin’ny karama ho 25 % saingy tsy nisy fanapahan-kevitra mahakasika izany fa nijanona ho adihevitra fotsiny ihany ». Samihafa avokoa ny hetra alaina ary miankina amin’ny karama raisin’ny tsirairay izany. Izany hoe, misy ny sokajina mpiasa tsy hakana hetra mihitsy (0 %), misy ny mandoa hetra 5 %, 10 %, 15 % ary 20 %. Ka ity farany no nitondrana adihevitra niaraka tamin’ny FMI, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Notsindrian’ny minisitra fa « misoratra anaty memorandum avokoa ny adihevitra atao raha voarakitra ao anaty tableau des repères kosa ny fanapahan-kevitra ary hita ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola (loi des finances) ».

Mifandanja
Mila mifandanja ny vola miditra sy mivoaka, izany hoe, na ahena ny fandaniam-bola na hampakarina ny hetra. Nisafidy ny hampidina ny fandaniam-bola ny governemanta. Nampahatsiahy ny minisitra fa efa nisy ny adihevitra nitondrany fanazavana teny amin’ny Antenimieram­pire­nena mahakasika ny fanafoanana ny fanalefahan-ketra momba ny vary sy ny momba ny rano. Saingy nifanaiky ny rehetra fa tsy ampiharina izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: