Lalam-pirenena RN7: arahi-maso ny orinasa manarina ny lalana

Nijery ifotony tany Ambositra ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny 3 aogositra teo. Nanatanteraka izany ny Fitantanana ny fotodrafitrasa (Dinfra) ao amin’ny minisitera foibe, niaraka tamin’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Amoron’i Mania. Nojerena ny fivoaran’ny asa efa mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito, RN7, eo amin’ny halaviran-dalana, PK 258, eo Ambositra hatrany amin’ny PK 311 Ambatofitorahana.
Nisy fotoana niatoan’ny asa, noho ny antony maro samihafa, ka izao miverina amin’ny laoniny izao, izay tanterahin’ny orinasa EHS. Avy amin’ny Fidiram-bola anatin’ny fanjakana (RPI) ny famatsiam-bola hanaovana azy. Anisan’ny asa atao ny fanampenana ny lavaka sy fanatsarana ireo lalana tena ratsy.
Mirefy 13 km ny asa efa vita, eo amin’ny PK 258 sy PK 270 amin’ny 53 km tokony hatao hatrany Ambatofitorahana. Araka ny fampahalalam-baovao, tombanana hatrany amin’ny 47% io asa vita io. Nomena toromarika ny orinasa EHS hanafaingana ny asa. Arahi-maso ny fitaovana ampiasaina amin’ izany. Nojerena koa ny fahafahany manampy isa ny mpiasa, hanatrarana ny fe-potoana napetraka amin’ny oktobra ho avy izao.

Njaka A.

Partager sur: